Revelation of John 15

1Avy eo dia nahita famantarana hafa teny amin’ny lanitra aho, lehibe sy mahatalanjona: Nisy anjely fito miaraka amin’ny loza fito, izay loza farany indrindra, fa amin’izy ireo no hahatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra.

2Nahita izay niseho tamin’ny ranomasina fitaratra nampiarahana tamin’ny afo aho. Nitsangana teo akaikin’ny ranomasina ireo izay nandresy an’ilay bibidia sy ny sariny, sy ny isa maneho ny anarany. Izy ireo dia nitazona harpa nomen’Andriamanitra azy ireo

3Izy ireo nihira ny hiran’i Mosesy, ilay mpanompon’Andriamanitra, ny hiran’ny Zanak’ondry hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ireo asanao, Tompo Andriamanitra, ilay Avo indrindra. Marina sy mahitsy ireo lalanao, ry Mpanjakan’ireo firenena. 4Iza no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hanome voninahitra ny anaranao? Fa Ianao irery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavaka eo anatrehanao satria ireo asanao marina dia efa nambara.”

5Taorian’ireo zavatra ireo aho dia nijery, ary nisokatra teny amin’ny lanitra ilay tempoly izay manana lain’ny fijoroana vavolombelona. 6Nivoaka avy tao amin’ilay toerana masina indrindra ireo anjely fito mitazona ireo loza fito. Izy ireo dia miakanjo madio, lamba rongony mamiratra sy misy fehin-kibo volamena manodidina ny tratran’izy ireo.

7Iray tamin’ireo zava-manan’aina efatra nanome an’ireo anjely fito lovia volamena fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra, ilay velona mandrakizay doria. Feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy avy amin’ny heriny ny tempoly. Tsy misy na iza na iza afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loza fiton’ireo anjely fito.

8

Copyright information for PltULB